Volavolan-dalana mikasika ny fizaka-manana ara-indostria

apero
Resy lahatra amin’ny tombontsoa entin’ny Tetik’asa Fanondroana ara-jeografika ny any amin’ny Faritra Matsiatra ambony.
Taorian’ny faritra Boeny, Itasy, Bongolava ary Atsinanana dia i Matsiatra Ambony indray no nanatanterahana ny Atrik’asa fampahafantarana ny Tetik’asa Fanondroana ara-jeografika (Indication géographique) tamin’iny herinandro lasa iny.
Nanoloana ireo mpandray anjara izay nahitana tantsaha mpamokatra 80 no nanehoan’ny mpitondra fanjakana ny fahavononan’izy ireo hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny Tetik’asa. Vonona hampandany ny volavolan-dalàna entina hampiharana ny Fanondroana ara-jeografika koa ny Solombavambahoaka, araka ny fanambaran’ny Solombavambahoaka voafidy tao Isandra, nandritra ny Atrik’asa tany Fianarantsoa ny Zoma 23 Aogositra 2024.
Ny Tetik’asa Fanondrona ara-jeografika dia natao hiarovana ireo vokatra isam-paritra izay manana ny lazany manokana ary miavaka amin’ny kalitaony vokatry ny fifandraisany tsy azo sarahina amin’ny faritra niaviany, miampy ny fahaiza-manaon’ireo mpamokatra azy ka mahatonga ny kalitaony ho tsara raha mitaha amin’ny vokatra hafa mitovy aminy avy any amin’ny faritra hafa.
Hanomboka hanatanteraka ny Tetik’asa eto Madagasikara ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) raha toa ka efa tena hita taratra fa efa misitraka ireo tombontsoa azo avy aminy nandritra ny taona maro ireo firenena efa mandroso.

Vous aimerez aussi...