?????????, ?????? ??? ?????????

?ANALANJIROFO SY AMBATOSOA: Nandefa iraka hidina hijery ireo tahiry sy vidin’entana eny an-tsena ny OMC (Organe mixte de conception) mba hisorohana ny fanararaotana mety hitranga, manoloana ny andro ratsy any an-toerana. Efa eny an-kianja ihany koa ireo mpiara-miasa rehetra eo amin’ny DRIC amin’izao fotoana izao manao ny fanaraha-maso. Tsy misy atahorana ny fahatapahan’ny famatsiana ary tsy misy fiovana ny vidiny hatreto.
?ANDROY: Miisa 8 ireo mpandraharana sy kaoperativa naneho ny fahalianany hitantana ny milina fanodinana mangahazo ho lasa lafarinina any amin’ny Distrikan’Ambovombe Androy raha 4 kosa no namaly ny Antso ho an’ny tetik’asa amin’ny fitantanana ny milina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka ao amin’ny Distrikan’i Bekily. Hiroso amin’ny dingana manaraka ny fifantenana ka ho alefa aty amin’ny Minisitera foibe ny anarana mpifaninana telo avy. Tontosa ny 26 Marsa 2024 lasa teo ny sivana teo anivon’ny faritra Androy anivon’ny Faritra Androy.
?BONGOLAVA: Tao Ambohindrangory kaominina ambanivohitra Fihaonana no nanatontosan’ny DRIC Bongolava ny fananganana kaoperativam-pambolena Fary sy Katsaka ny Alarobia 27 Marsa 2024 lasa teo. Niarahany tamin’ny Fikambanana FIVATO sy ny Orinasa LFL izany. Velom-pisaorana ny MIC ireo solontenan’ny tantsaha sy ny Sefom-pokontany teo an-toerana satria efa nampifandraisina amin’ny Baobab Banque sy ny Orinasa LFL sahady ireto mpamokatra ireto mba ahafahany miatrika ny fandraharahany.

Vous aimerez aussi...