đoekarena eny ifotony
đđđŠđ©đđĄđđđđ§đđđ«đąđ§đ đđđŠđąđ§âđ§đČ đđšđŠđđ đšđđąđŹđąđđ„đČ đ§đČ đđđđąđ€âđđŹđ đ đđ§đšđ§đđ«đšđđ§đ đđ«đ-đŁđđšđ đ«đđđąđ€đ đĄđš đđđŠđ©đđ§đđ«đšđŹđšđđ§đ đ§đČ đđđ«đąđđ«đ
Miankina aminâny fampandrosoana mirindra eo aminâny faritra tsirairay ny fitomboana maharitra eo aminâny toekarentsika. Nizara ny lalan-tsaina maha-zava-dehibe ny Fanondroana ara-jeografika (Indication gĂ©ographique) ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA nandritra ny fampahafantarana taminâny fomba ofisialy ny Tetikâasa teny aminâny Panorama Andrianarivo. Hanampy betsaka aminâny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena izay Andry faharoanâny fampandrosoana anâi Madagasikara araka ny Politika ankapobenâny Fanjakana koa ny Fanondroana ara-jeografika.
âTena ilaina ny mamantatra izay mampiavaka manokana ny faritra tsirairay, ny tanjaka ara-toekareny ahafahana mitrandraka izany anaty paikâady sy hitondra tombontsoa eo aminâny toekarem-pirenenaâ, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nandritra ny lahateny fanokafana ny lanonana. Hanampy ny mpamboly aminâny famoahana ny vokatra sy aminâny fitadiavana lalam-barotra tsara kokoa sady manome lanja ny vokatra vokarina ao aminâny Distrika aminâny alalanâny fanondroana ara-jeografika ny tetikâasa, satria mampitombo ny vidinâentana ny fisianâny fahafantarana ny fiavianâny vokatra iray. Voamarikâireo mpiara-miombonâantoka izay efa mametraka ity tetikâasa ity atsy Afrika ka nazahoanâireo firenena tsirairay avy tombontsoa izany. âIty tetikâasa ity dia tohananâny Minisitera 100% satria manatsara ary mitondra antsika aminâny fampandrosoana ara-toekarenaâ, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA teny Andrainarivo.
Ho tanterahana mandritra ny 3 taona ny Tetikâasa Fanondroana ara-jeografika izay vatsianâny AFD (Agence Française de DĂ©veloppement) vola. Mpiray antoka aminâny fanatanterahana ny Tetikâasa kosa ny AIM, MIC, OMAPI ary ny CIRAD. Efa nisy ny fanaovan-tsonia talohanâizao ka natolotra azy ireo teny Andrainarivo ny atontan-taratasy momba izany.
Ho atao vaindohan-draharaha ny fandrafetana ny LalĂ na sy ny paikady ary ny fomba fitantanana ahafahana miaro sy manome lanja ireo vokatra mampiavaka ny isam-paritra. Hisy ny fampahafantarana sy fifampiresahana aminâireo mpisehatra sy ireo mpanao lalĂ na mba handaniana ilay LalĂ na aminâny fivorianâny Antenimiera mpanao lalĂ na, hoy ny Tale mpanatanteraky ny (AIM) Rivo ADRIATSIMATAHOMANANA.