𝗙𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗶𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗵𝗼 𝗳𝗶𝗷𝗲𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗮𝗵𝗮𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗶𝗿𝗮𝗺𝗮𝗺𝘆 𝗮𝗼 𝗮𝗻-𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮

Telo andro taorian’ny dinik’asa niarahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’ny Praminisitra ka nanomezan’ny Lehiben’ny Governemanta toromarika hamahana haingana ny olan’ny ozinina mpamokatra siramamy any Ambilobe dia tonga tany an-toerana ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA nizaha ifotony ny zava-misy, ny Sabotsy 14 Septambra 2024. Niara-dia taminy ny Tale jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Tale jeneralin’ny SIRAMA ary ny Tale jeneralin’ny CMCS na ny Foibe malagasy momba ny fary sy ny siramamy.
👉Notsidihana tamin’izany ny fotodrafitrasa fanakanana ny rano tsy hihoatra (digue de protection) izay simba tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane.
👉Nitohy tamin’ny fidinana teny amin’ny Orinasa SUCOMA izay narahana fifanakalozana tamin’ireo tomponandraikitra ambony ao amin’io orinasa io mahakasika ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny vokatra izay vokarina izany. “Mitohy foana ny ezaky ny Minisiteran’ny indostria sy ny Varotra amin’ny fanampiana ireo indostria rehetra hamokarana eto an-toerana ireo zavatra ilain’ny vahoaka malagasy ka anisan’izany ny siramamy”, hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA.
Ara-tarehimarika dia namokatra siramamy 65000 taonina isan-taona ny ozinina any Ambilobe saingy nihena ho 55000 taonina izany noho ny takaitra navelan’ny rivodiza Gamane.
👉Nohararaotin’ny Minisitra koa ny fahatongavany tany Ambilobe nametrapetrahana tamin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) DIANA ny fomba fiasa sy ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny maitso ahatra ho avy izao amin’ny famatsiana ny entana ilaina andavanandro.

Vous aimerez aussi...