𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗩𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗠𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘃𝗮𝗻𝗶𝗹𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮

Nandray ny mpikambana ao amin’ny Vondron’ireo Mpanondrana lavanila eto Madagasikara (GEVM) tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, David RALAMBOFIRINGA omaly Zoma 13 Septambra 2024. Fihaonana natao indrindra hanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fampandrosoana ny sehatry ny lavanila ka niresahana ny zava-tsarotra sy ny fanararaotra eo amin’ny indostrian’ny lavanila malagasy ankehitriny.
Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ny fanamafisana ny fanodinana (transformation) sy fitrandrahana (extraction) lavanila, fomba roa lehibe hampitomboana ny sanda fanampin’ny vokatra alohan’ny fanondranana azy. Tanjona ny hampiroboroboana ny fanodinana eto an-toerana mba tsy hihanona fotsiny amin’ny fanondranana akora fototra i Madagasikara fa koa hisongadina amin’ireo vokatra avy amin’ny lavanila. Izany dia ahafahana mampiakatra ny vola miditra ary mandrisika ny famoronana asa any amin’ny faritra ambanivohitra sy indostrialy.
Nojerena koa tamin’ity fotoana omaly ity ny vahaolana entina manatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha sy mpamboly lavanila, mpisehatra fototra eo amin’ity seha-pihariana lehibe ity. Andrefesana ny fahombiazana ara-toekaren’ny sehatry ny lavanila ny tombontsoa azo tsapain-tanana sitrahan’ireo mpamokatra eny ifotony.
Niarahan’ny roa tonta nidinika ny fomba hiarovana ny lazan’ny lavanila malagasy eran-tany sy ny hampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena miantraika eo amin’ireo mpisehatra rehetra isan-tsokajiny.

Vous aimerez aussi...