𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗩𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗢𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗮𝗯𝗮 𝘀𝘆 𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗺𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻’𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮 (𝗚𝗘𝗙𝗣)

Nifanazavan-dresaka momba ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra eto Madagasikara.

Ny delegasioan’ny GEFP notarihin’ny Filohany Béatrice CHAN CHING YIU, no noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra tetsy Ambohidahy ny Zoma 20 Septambra 2024. Anisan’ny nahaliana ireto mpandraharaha ireto ny ho avin’ny Orinasa afaka haba eto Madagasikara manoloana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE).
« Raha te-hanova an’i Madagasikara isika na te-hitondra fanovana dia tokony hanatanteraka ny andraikiny amin’ny maha-mpandrindra azy ny Fanjakana », hoy ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA. Atao ho zava-dehibe anatin’izany ny fiarovana ireo fampiasam-bola amin’ny alalan’ny fametrahana tontolo manintona manodidina ny fandraharahana. Ilàna fahaiza-mitarika anefa izany.
Naniry moa ny Minisitra ny hiverenana hijerena an-databatra boribory lohahevitra sasantsasany tamin’ireo natsidika tamin’ny fihaonana.

Vous aimerez aussi...