𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗮𝘃𝗶𝗱 𝗥𝗔𝗟𝗔𝗠𝗕𝗢𝗙𝗜𝗥𝗜𝗡𝗚𝗔 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗮𝘀𝗮𝗱𝗮𝗼𝗿𝗼𝗻’𝗶 𝗜𝗻𝗱𝗲 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮

ambassad
Noraisin’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy amin’ny birao fiasany etsy Ambohidahy ny Ambasadaoron’ny firenena indiana miasa eto Madagasikara, Bandaru Wilson Babu. Fotoana niresahan’ny roa tonta ny ho fanamafisana ny fifandraisana.
Naneho fahavononana hanohana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ny Masoivohon’i Inde eto amintsika. Iray amin’ireo andry telon’ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) moa ny fampiroboroboana ny indostria.

Vous aimerez aussi...