𝗙anjifana

𝗠𝗮𝗻𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗳𝗼𝘁𝗼𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗶𝗻𝗱𝗼𝘀𝘁𝗿𝗶𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗩𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 (𝗠𝗜𝗖) 𝗵𝗼 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗷𝗶𝗳𝗮

Mahitsy, Imerintsiatosika, Andoharanofotsy, Itaosy, Fenoarivo, Anosibe… Ireo indray no idinan’ny iraka avy amin’ny MIC nanomboka ny Alatsinainy 07 Oktobra 2024 izao. Hitodika kokoa any amin’ireo mpanangom-bokatra vary izy ireo amin’izany ka anisan’ny ho ampahatsiahivina ny tsy maintsy hampiasan’izy ireo faktiora araka ny tokony ho izy amin’ny asany, ny fanaovana fanambaràna tahiry. “Mahazatra ny fanaovana fanambaràna tahirim-bary isam-bolana fa amin’ny vanim-potoana misy antsika ankehitriny dia takiana ny hanaovan’ireo mpandraharaha ireo fanambaràna tahirim-bary isa-kerinandro”, hoy ny Talem-paritra (DRIC) Analamanga, Natolotriniaina Herizo FANOMEZANTSOA.

Hisy ekipa 5 ahitana olombelona 5 avy izy ireo no hisahana ireo faritra 6 hidinana ireo. Hiara-hientana ireo mpanara-maso avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra anatiny (DCI), ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) ary ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Analamanga.

Roa herinandro lasa izay, izany hoe nanomboka ny 16 Septambra 2024, dia ekipa 25 misy mpiara-miasa 3 hatramin’ny 5 avy no nidina teny amin’ireo mpivarotra mpaninjara entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ny vary. Nentanina izy ireo hanaja ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny varotra ataony ho fitsinjovana ny mpanjifa.

Eny an-tsena dia ampy ny vary ka tsy misy atahorana hiatrehana ny maitso ahitra. Afaka misafidy malalaka amin’ireo karazam-bary eny amin’ny mpivarotra ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...