𝗩arotra 𝗜velany

𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗼𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝘀𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝘆 𝗻𝘆 𝗹𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗮𝗿𝗼-𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗲𝗸𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗼𝗻𝘁𝗶𝗻𝗮𝗻𝘁𝗮 𝗮𝗳𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮

60% ny tahan’ny varo-draharaha ao anatin’ny harinkarena faoben’i Madagasikara. Manan-danja tokoa izany ka mila jerena akaiky ny fifanarahantsika momba ny varo-draharaha amin’ireo vondrona rejionaly maha-mpikambana antsika.
Notanterahana tetsy Antaninarenina ny Zoma 13 Septambra 2024 ny Atrik’asa fankatoavana nasionaly ny lisitry ny sehatra varo-draharaha ekena ho halalahana ara-barotra ho an’i Madagasikara eto anivon’ny kaontinanta Afrikanina. Miampy seha-draharaha telo hafa, araka izany, ny lisitra dia ny mahakasika ny fanorenana, ny angovo ary ny servisy ho an’ny orinasa.
Voasolo tena avokoa moa ireo Departemanta ministerialy, sehatra tsy miankina ary ny holafitra mpisehatra amin’izany nandritra ity atrik’asa ity. Ho alefa any amin’ny SADC, COMESA, ZLECAF ny lisitra nahazo fankatoavana.
Ampahatsiahivina fa efa nahavita nanome tolotra i Madagasikara mahakasika ireo seha-draharaha efatra izay noheverin’ny mpikambana tsirairay avy ho laharam-pahamehana amin’ny fanampiroboroboana ny fifanakalozana varo-draharaha eto anivon’ireo vondrona aty Afrika. Ny fitaterana, ny fizahan-tany, ny fifandraisana ary ny famatsiam-bola ireo sehatra efatra ireo.
Ny fananana tolotra dia fomba iray entina hiarovana ny tsenantsika sy ahafahana mitrandraka ny tsena midadasika misy eto anivon’ny kaontinanta afrikana. Antenaina, noho izany, fa hampiroborobo ireo seha-draharaha eto Madagasikara sy hitondra vokatra tsara eo amin’ny lafiny toekarena ity atrik’asa ity tetsy Antaninarenina ity.

Vous aimerez aussi...