𝗩okatra mampiavaka ny faritra

𝗡𝗶𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗔𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗧𝘀𝗶𝗿𝗼𝗮𝗻𝗼𝗺𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 “𝗯𝗮𝗶𝗲 𝗿𝗼𝘀𝗲” 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗻𝘆 𝗕𝗼𝗻𝗴𝗼𝗹𝗮𝘃𝗮

Namaly ny fanasan’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tamin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Bongolava, ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) any an-toerana ary ny Ofisy malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria (OMAPI) ireo kaoperativa maro samihafa ivondronan’ny mpamokatra dipoavatra mena sy ireo vondrona ara-toekarena voakasika. Tonga nandray anjara tamin’ny Atrikasam-paritra momba ny fiarovana ny marika Baie rose avy any Bongolava tao amin’ny Espace Rose Tsiroanomandidy izy ireo.
Nivoitra tamin’ny lahateny nifandimbiasana fa tonga ny fotoana hanomezana lanja an’ireo mpamokatra dipoavatra mena ka hialàna amin’ny fahantrana sy hampiakarana ny toekarem-paritra.
Nankasitraka ireo mpikarakara sy mpandray anjara tamin’ny Atrikasa mandritra ny roa andro ny Talen’ny Fiaraha-miasa sy ny Tetik’asa (DPP) Hanitsoa RAMAHERY izay nisolo tena ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA tany Tsiroanomandidy. Nisaorany koa ny fanohanana nataon’ny OMAPI sy ny OMPI (Fikambanana maneran-tany momba ny Fizakamanana ara-tsaina) ka nahatongavan’ny manampahaizana iraisam-pirenena Yves Ngoubeyou sy Monique Bagal tany Tsiroanomandidy.
Anisan’ireo nanatrika ny Solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy, ny Governoran’ny Faritra ary Ben’ny tanàna fito avy any amin’ireo kaominina mpamokatra dipoavatra mena.

Vous aimerez aussi...