1 Mey: fetin’ny asa

“Manamarika ny Fetin’ny Asa isika androany 1 Mey. Mitodika amintsika mpiasa eto amin’ny Minisitera ny tenako. Tsy mpiasa fe mpiasa fa mpiasam-bahoaka isika. Ankoatra ny maha-fivelomana ny asantsika dia adidintsika ny maneho ny tamberin’andraikitra amin’ireo mpiray tanindrazana amintsika amin’ny fandraisana tsara sy fikarakarana araka ny tokony ho izy azy ireo amin’izay fanampiana andrasany amintsika.

Ekena fa mandalo fotoan-tsarotra ny mpiasa malagasy noho ny fiakaran’ny vidim-piainana. Manao ny ezaka tandrify azy ny fitondram-panjakana amin’ny fitsinjovana ny mpanjifa. Amin’ny alalan’ny Asa koa anefa no ahafahantsika miatrika ny fiainantsika andavanandro. Hajao sy tiavo ny asa.

Miarahaba ihany koa ny mpandraharaha sy ny mpiasa amin’ny Sehatra tsy miankina ary ny tantsaha mpamokatra ny tenako amin’ity 1 Mey ity. Antenaina fa hiroborobo ny Asa sahanin’izy ireo ho fanoitran’ny toe-karentsika eto Madagasikara”.

Edgard RAZAFINDRAVAHY

Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana

Vous aimerez aussi...