Antalaha: napetraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy mazava tsara ny fepetra ho an’ireo mpanondrana lavanila

Ampahibemaso no nanoloran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy an-tanana an’ireo mpandraharaha ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanondrana lavanila omaly Alakamisy 18 Aogositra 2022 tao amin’ny Hôtel Chez OCÉAN MOMO Antalaha. Nialohavan’ny fanaovan’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila sonia ny fanekena hanaja ny fepetra (lettre d’engagement) izay ahitana teboka 10 moa izany fanolorana izany.
Nivantana ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nilaza, nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha fa « tsy maintsy manara-dalana ireo mpanondrana, ary ireo fepetra napetraka ireo dia natao sy noraisina mba ho fitsinjovana ny Vahoaka ».
Anisan’ny takiana amin’ireo mpanondrana ny fanajana ny vidin’ny kilaon’ny lavanila maitso tsy ho latsaky ny 75.000 Ar any amin’ny tsena voaara-maso, ny lavanila voaomana 500.000 Ar, ary 250 Dolara (FOB) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy maintsy mamerina ny vola vahiny azo avy amin’ny fanondranana lavanila izy ireo ary mandoa hetra ara-dalàna. Tsy maintsy manefa ny latsakemboka amin’ny CNV (Filankevi-pirenena momba ny lavanila) koa ireo mpandraharaha ireo. Adidy ny manao izay hitandroana ny kalitaon’ny lavanila malagasy.
Momba ny AMI (Appel à manifestation d’intention) dia ireo mpividy ny lavanila malagasy vonona hanaraka ny lalàna no mamaly izany. Ahafahana mamoaka ny lisitr’ireo mpividy voamarina rehetra, miaraka amin’ny « engagements » tsy maintsy hajaina izany. Raha tsy misy ny « engagements » dia mbola hividy ambany izy ireo.
Nanotrona ny fihaonana tany Antalaha ny Minisitry ny Fitsarana François Rakotozafy, ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona Eric Besoa, ireo Solombavambahoaka voafidy tany Sambava sy Antalaha.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...