Fiaraha-midiniky ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP): Miantso ny Sehatra tsy miankina handray an-tanana ny famokarana angovo ho ampiasainy ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Atao mazava tsara ny fifanarahana dia apetraka ny tetiandro hanatanterahana azy. Isaky ny telo volana dia atao ny tomban’ezaka ahitana ny asa vita sy ny fifanarahana voahaja. Manaitra ny mpandray anjara amin’ny Fiaraha-midiniky ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina (Dialogue Public Privé na DPP) ny Minisitra Edgard Razafindravahy mba tsy hisalasala lava.
Nandritra ny fanokafana ny andiany faha-6 amin’ny DPP androany Alakamisy 24 Novambra 2022 tetsy amin’ny Carlton Anosy no nanehoan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) fa mila fahavononana ny fampandrosoana ara-toekarena ny firenena. “Mba ny Sehatra tsy miankina mihitsy no mandray an-tànana ny ho aviny amin’ny famokarany ny angovo ampiasainy mba tsy ho tratry ny tsy fahatomombanana amin’ny tsy fananana na tsy fahampian’ny angovo eto amin’ny tanindrazantsika”, hoy izy androany. Anisan’ny fifanarahana tamin’ny 28 Marsa 2022 ka anaovana jery todika amin’izao fiaraha-midinika etsy Anosy izao izany.
Mampahatsiahy ny fanambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny Fikaonandoham-pirenen’ny fampiasam-bola hisandratan’i Madagasikara ny volana Oktobra 2022 teny amin’ny CCI Ivato ka nanaovany antso hirosoana amin’ny Revolisiona Indostrialy moa izany.
Maro ny hevitra nivoaka nandritra ireo DPP rehetra teo aloha hirosoana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny toe-draharaha ara-toekarena sy fampiasam-bola eto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny fanalefahana ny hetra sy ny fanatsarana ny rafitra aman-dalàna ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fahaleovan-tenany amin’ny angovo.
Naneho ny fahavononany ny MICC amin’ny fandraisana sy fanatanterahana ny anjara andraikiny manoloana ireo fehin-kevitra tapaka nandritra izany dinika izany. Manamarika izany indrindra ny asa rehetra efa miroso eo amin’ny famolavolana ny fanatsarana ny rijantenin-dalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny mifehy ny tontolo indostrialy.

Vous aimerez aussi...