Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Analanjirofo, Vakinankaratra sy Bongolava

?ANALANJIROFO : Nitsirika tobin-tsolika iray tao Sainte-Marie ny ekipa misahana ny fanaraha-maso ny fitaovam-pandrefesana avy amin’ny DRICC Atsinanana ny faran’ny herinandro teo. Niarahany tamin’ny teknisianan’ny SOMAP izay manana traikefa manokana momba ny paompy elektronika izany. Nohamarinina tamin’izany ny hafainganan’ny fikorianan’ny solika amin’ireo fitaovana ampiasain’io tobin-solika io.

?VAKINANKARATRA : Ny kaoperativa IVAKMEN indray no nisitraka fampiofanana mikasika ny fiompiana kisoa matihanina sy ny fanodinana izany kisoa izany ho lasa “charcuterie”. Fiofanana izay novatsian’ny avy ao amin’ny FMFP (Tahiry malagasy momba ny fanofanana araka asa). Natolotra ireo mpandray anjara ny 23 sy 24 Janoary 2023 tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antanimandry sy tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ny mari-piofanana.

?BONGOLAVA : Nanatrika ny Fivoriamben’ny PCAF Baie Rose (Plateforme de Concertation d’Appuis à la Filière Baie Rose) ny mpiara-miasa ao amin’ny DRICC Bongolava ny 17 Janoary 2023. Nivoitra tamin’izany ireo olana sedrain’ireo kaoperativa mpamokatra dipoavatra mena ary narahina vahaolana avy hatrany izany. Nodinihina ihany koa ny fanomanana ny Taom-piotazana 2023, ny fandaminana ny fampihaonana ireo mpandraharaha amin’ireo kaoperativa mpamokatra « baie rose » sy ny vidin’izany ary ny fandaniana ny vinavinan’asa 2023.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...