Fambolen-kazo: Norakofan’ny MICC zanakazo 1500 ny velaran-tany 5ha eny Masindray

“Tanjona napetraky ny Filoham-pirenena ny hanamaitsoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Manatanteraka izany adidy Masina izany isika ato amin’ny MICC androany”. Tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nanokatra ny fambolen-kazo niarahan’ny mpiasan’ny Minisitera nientana teny Masindray izy androany Alakamisy 16 Febroary 2023.

Samy mahita isika eo amin’ny fiainana andavan’andro fa tsy ampy ny rano, ritra mihitsy rehefa main-tany, tapatapaka matetika ny jiro, miakatra ny hafanana. Mifandray avokoa amin’ny olana eo amin’ny tontolo iainana izany. “Adidin’ny isam-batan’olona ny miaro sy manavotra ny tontolo iainana. Izany no mampitsangana antsika eto hanatanteraka ny adidy Masina ho an’ ny Tanindrazana”, hoy ihany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) nanoloana ireo mpiara-miasa aminy ato amin’ny Minisitera sy any amin’ireo rafitra miankina aminy.

Nanafatra ny mponina eny ifotony moa izy hanohitra ny doro tanety ary ny teknisiana hikarakara ny fambolena natao mba ho vanona.

Ny hazo volena anio dia hamelomana aina sy hamelomana an’i Madagasikara araka ny teny filamatra ho an’ny fambolen-kazo amin’ity taona ity.

Vous aimerez aussi...