Fitsidihana fifanakalozana: Mampirehereha ny any Alemaina ny fananana kaoperativa matanjaka

Feno ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona malagasy mitsidika ny any Alemaina. Nisitraka fampiofanana momba ny asa fanaraha-maso sy fitsirihana ny lafiny fitantanana ireny kaoperativa ireny izy ireo nandritra ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy maintsy atao ary anisan’ny tena mampiavaka sy mampandroso , maha-matihanina ary mampaharitra ny kaoperativa any amin’ity firenena ity io fitsirihana io. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny ozinina kaoperativa iray famokarana fromazy sy ozinina kaoperativa iray famokarana labiera izany. Samy kaoperativa niorina sy nijoro an-jato taonany maro izy ireo.

Nizaha orinasa lehibe misehatra iraisam-pirenena izay miara-miasa manokana amin’ny kaoperativa maro any Alemaina ireo vahiny avy aty Madagasikara ny Alatsinainy 20 sy Talata 21 Febroary 2023. Ny mpampiasa vola maro an’isa ao dia kaoperativa avokoa.

Nisy ihany koa ny fitsidihana ny antsoina hoe « Cercle des machines » izay manana rafitra fikambanana lehibe sy matanjaka. Tantsaha mpamokatra, kaoperativa, olona na orinasa mpampiasa vola no mpikambana ao. Ny anjara andraikiny dia ny fandrindrana ny tinady sy tolotra momba ny fitaovana entina mamokatra. Misy ny tantsaha mila fitaovana ary misy ireo tompon’ny fitaovana ary mampanofa. Samy mpikambana avokoa izy ireo. Mampiofana momba ny famokarana, manamora ny fisitrahana famatsiam-bola ihany koa ny cercle. Ny Fanjakana dia manohana amin’ny lafiny maro ny fananganana io rafitra io. Efa misy ao Afrika ny « Cercle des machines » ary tohanan’ny Governemanta any an-toerana sy Governemanta alemà.

Ny fitsidihana farany moa dia tany amin’ny indostria kaoperativa lehibe iray manangona sy manodina ronono, izay tantsaha, kaoperativa maro ary mpampiasa vola no mpikambana ao.

Raha fintinina dia tena matanjaka ny kaoperativa alemà, maharitra mandritra ny vanim-potoana ela, manaraka rafitra, manaja lalàna ary kolontsaina mihitsy ny kaoperativa.

Sary DPE

 

Vous aimerez aussi...