Fidinana tampoka hanaraha-maso ny entona fandrehitra Vitogaz eny amin’ny mpaninjara
Niara-nidina teny anivon’ny mpaninjara mivarotra entona fandrehitra Vitogaz ny delegasiona avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) Naina RANDRIAMANANJARA sy ny Orinasa Vitogaz androany 12 janoary 2022. Niompana tamin’ny fijerena sy fanamarinana ny lanjan’ny entona fandrehitra izany fidinana izany hikajiana ny tombontsoan’ny mpanjifa vokatry ny fitarainana voaray mikasika ny entona fandrehitra amidy eny amin’ireny toeram-pivarotana entona fandrehitra ireny. Ara-dalàna avokoa ny entona fandrehitra sendra azy ireo teny amin’ny Shell Behoririka sy Supermaki Ankadifotsy. Hitohy manerana ny Nosy ny hetsika fanaraha-maso sy fanamarinana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Miakatra izay tsy izy ny vidin’ny entona fandrehitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Notsindrian’ny DGCC kosa anefa fa marin-toerana izany ary voahaja ny vidiny napetraka nanomboka ny volana desambra 2021 vokatry ny fifampiresahana teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy Mpitantan-draharaha nomem-pahefana ao amin’ny orinasa Vitogaz.
Miezaka hatrany ny Minisitera miaro ny fanajana ireo zo sy tombontsoan’ny mpanjifa izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.