Voin-kava-mahatratra: Nijery imaso sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tany Toliara sy Ankililoaka ny Filoham-pirenena mivady

Vary 1 gony, menaka, siramamy, voamaina, lamba firakotra ary kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro no natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny ho an’ireo vahoaka tonga tao amin’ny Kianja Kira tao Andaboly omaly Alahady 12 Marsa 2023. Fanampin’ireo dia nahazo « kit solaire » ihany koa ny isan-tokantrano ka tsy hampiasa labozia intsony araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha ny vahoakan’ny Toliara.

Tonga tao amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady ny tolakandro. Anisan’ny nitondra takaitra nandritra ny fandalovan’iny rivodoza Freddy iny ihany koa ny kaominina Ankililoaka ka tsy diso anjara tamin’ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ny mponina ao an-toerana.

Ankoatra ny vary, menaka, voamaina sy ireo kojakoja isan-karazany dia notolorana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro na « kits solaires » ireo vahoaka. Notsahivin’ny Filoha Andry Rajoelina fa nisitraka ireo fotodrafitrasa napetraky ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka sy mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ny kaominina Ankililoaka toy ny CSBII manara-penitra sy ny tetezana Ranozaza izay efa vita ankehitriny. Hamahana ny olan’ny herinaratra dia hafainganina ihany koa hoy izy ny fametrahana « parc solaire » ao Ankililoaka mba hisitrahan’ny tokantrano rehetra ny herinaratra.

Sary Fiadidiana ny Repoblika

Vous aimerez aussi...