Famatsiana ny mponina: Nahazo Tsena Mora koa ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana

Nosokafana omaly Talata 14 Marsa 2023 ny Tsena Mora any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Fepetra noraisina taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena tany an-toerana ka hisitraka izany daholo ny fokontany 41 ao Toliara sy ny distrika 9 any Atsimo Andrefana.

Tamin’io omaly io dia mponina amin’ny fokontany 6 ao Toliara I sy fokontany 1 ao Toliara II no afaka nanjifa teny amin’ny Tsena Mora. 30 kitapo, izany hoe 1 taonina sy sasany, isaky ny fokontany ny vary namidy tamin’ny 1200 Ar ny kilao.

Misokatra isaky ny Talata sy Alakamisy ny Tsena Mora any Toliara ka mandritra ny iray volana izany.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...