Fampiroboroboana ny fandraharahana: kaoperativa roa nahazo tantsoroka avy amin’ny DPE

Nialohavan’ny fanofanana nandritra ny roa andro an’ireo mpikambana ny fanolorana ny mari-panoratana maha-ara-dalàna ny kaoperativa Fiharian-tsoa (KOFI) teny Ambanitsena Manjakandriana ny 13 Aprily 2023 lasa teo. Misehatra amin’ny asa fambolena haricot-vert sy fiompiana akoho gasy moa izy ireo. Ny mahakasika ny fiainana maha-kaoperativa ary ny fitantanana ny kaoperativa no vatsy nentin’ny ekipan’ny DPE ho an’ireo mpiofana.

Nisy ihany koa ny 13 sy 14 Arily 2023 ny fanofanana ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny kaoperativa ivondronan’ny mpiasa eo anivon’ny SOFITRANS teny Mandrosoa Ivato. Misahana ny famatsiana, indrindra ny vary, moa ny kaoperativa. Efa nivonona hanatitra ny atontan-taratasy fangatahana ny maha-ara-dalàna ny fijoroan’ny kaoperativa eto anivon’ ny MICC izy ireo taorian’ ny fiofanana.

Sary DPE

Vous aimerez aussi...