Fitarainana amin’ny hala-danja ataon’ny mpivarotra: nilatsaka tampoka teny amin’ny tsenan’i Sabotsy Namehana ny ekipan’ny DRICC Analamanga

Namaly avy hatrany ny fitarainana avy amin’ny mpanjifa eny Sabotsy Namehana ny mpanara-maso avy amin’ny MICC. Nidina teny an-toerana izy ireo manoloana ny filazana fisiana hala-danja ataon’ny mpivarotra.

Tsikaritra tamin’izany moa fa maro ireo mpivarotra mampiasa fitaovam-pandanjana voamarina fa misy ihany koa ireo tsy nahatratra ny fitsarana ka nirahina izy ireo mba hitsara izany eny anivon’ny SML (Sampan-draharaha misahana ny Refy sy Lanja) eny Soarano.

Nentanina moa ireo mpivarotra mba hanamarina ny fitaovam-pandanjana sy ny vatomizana ampiasain’izy ireo mba hiarovana ny mpanjifa. Nisy ny dinidinika nifanaovana tamin’ny lefitry ny Ben’ny tanàna ka tsirin-kevitra tamin’izany ny hanaovana fitsarana mizana sy vatomizana faobe eny amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...