Famokarana Ethanol: tany 3 000 ha ho volena fary any Beramanja Ambilobe

Hanomboka amin’ity volana Mey ity ny asa fambolena fary hamatsiana ny ozinina famokarana ethanol any amin’ny kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe. Velaran-tany mirefy 3 000 ha no ho volena fary ka ny tantsaha no hiantoka izany ary ny Tetik’asa Fihariana kosa no hisahana ny famatsiam-bola.

Notanterahana tao Beramanja, ny Alarobia 26 Aprily 2023 teo ny fihaonana fanentanana ireo tantsaha mpamboly fary izay niarahan’ny MICC izay notarihin’ny Tale jeneraly misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria Gaëtan Ramindo, ireo fikambanan’ny mpamboly fary, ny Fihariana ary ny CMCS. Nisy ny fifanakalozan-kevitra handaminana ny hanombohan’ny asa.

Efa mandroso ny asa fanarenana ny toerana hametrahana ny ozinina ao Beramanja ary efa andalana ireo milina sy fitaovana samihafa.

Sary DGI

Vous aimerez aussi...