Taninketsa Indostrialy: natolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy an’i Vohipeno ny ozinina fanendasana sady fitotoana kafe

Mpamokatra kafe avokoa ireo kaominina 21 ao anatin’ny distrikan’i Vohipeno ka rariny raha ozinina mpitoto kafe no anjarany amin’ilay Tetikasa ODOF (One District One Factory). Omaly Zoma 5 Mey 2023 ihany, vantany vao voatolotra an’i Farafangana ny milina fanodinana tantely dia nihazo an’i Vohipeno ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanatitra ny fitotoana kafe.

Tsy ozinina mijoalajoala fa indostria azo ampiasaina tsara eny ifotony io fanodinana kafe io. “Miainga amin’ny herin’aratra na amin’ny herin’ny masoandro ny ozinina satria raha tsy zakan’ny herin’aratra sady tsy mandeha amin’ny herin’ny masoandro dia eo fotsiny”, hoy ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria.

Korana no nandraisan’ireo fikambanam-behivavy any an-toerana ny Ministra Edgard Razafindravahy. Nohararaotin’ny Depiote Honoré Tsabotokay ny fihaonana nanehoany ny filàn’ny mponina ankoatran’ny fanodinana kafe. Mahavokatra voankazo betsaka indrindra fa ny voasary iny faritra iny. “Tsy ny kaominina, hoy izy, no tsy miasa fa be loatra ny vokatra” (ka mandoto tanàna).

Vous aimerez aussi...