Amoron’i mania: mizana 35 tsy nanara-dalàna ka nogiazana

Mihetsika ireo mpanara-maso ny varotra any amin’ny faritra samihafa ho fiarovana ny mpanjifa amin’ny fampiasana fitaovam-pandanjana tsy marina. Fitsirihana tampoka no nataon’izy ireo tao Ambositra ny Alakamisy 11 Mey 2023 lasa teo, ho an’ny any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Vokany dia mizana 35 no tratra tsy nanara-dalàna ka nogiazana. Avy hatrany dia nalefa eny amin’ny mpanamboatra nahazo fankatoavana miara-miasa amin’ny DRICC Amoron’i Mania izy ireo.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...