Tatitra manoloana ny antenimieram-pirenena: faritra sy toerana maro manerana an’i Madagasikara no hahazo tombontsoa amin’ireo tetik’asa fampiroboroboana ny indostria.

Andro faharoa amin’ny Tatitra ataon’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta manoloana ny Antenimieram-pirenena. Anisan’ireo namelabelatra ny asa vitan’ny Minisitera sahaniny teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly Alakamisy 25 Mey 2023 ny Minisitra Edgard Razafindravahy. “Tsy mivaona amin’ny velirano faha-7 sy faha-9 napetraky ny Filoham-pirenena ny asa notanterahana teto anivon’ny minisitera”, hoy izy teo am-panombohana .

Amin’ireo milina miisa 75 hanodina vokatra eny ifotony hametrahana ny Taninketsa Indostrialy dia milina fanodinana tantely miisa 7 no naterina tany amin’ny distrika samihafa, hatreto. 3 kosa ireo fanodinana voanjo ho lasa menaka. 1 ny fikarakarana kafe.

“Tiako ny milaza eto fa tsy indostria mijoalajoala akory izy ireny fa orinasa hanodina mivantana ny vokatra hamatsiana ny tsena anatiny. Malagasy no mitantana azy ary mahatsiaro ho tompony ny Malagasy”, hoy ny Minisitra.

Momba ny fampiroboroboana ny indostria ihany dia 54 ireo indostria vaovao tafatsangana araka ny lalàna, ny taona 2022. Tao anatin’ny efa-bolana voalohan’ny taona 2023 dia indostria vaovao miisa 24 no nitsangana. Sehatra maro no ahitana azy ireo.

Miroso ny tetik’asa PAISF, nanomboka ny volana septambra 2022, fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria iarahana amin’ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana. Anisan’ireo hahazo tombontsoa amin’ny PAISF ny Saha indostrialy efatra dia ny Indostria momba ny lamba ao Moramanga, ny famokarana kojakoja momba ny taotrano sy asa vaventy ao Toamasina, ny fanodinana voankazo sy legioma ao Antsirabe ary ny fanodinana hazan-drano sy vokatry ny fambolena any Antsiranana.

Natomboka koa ny Tetik’asa Fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana (PTASO). Anisan’ny tetik’asa lehibe indrindra io. Haorina ao Ankorongoa, manakaiky ny lalam-pirenena faha-7, miditra an’i Toliara ity toeram-pamokarana lehibe ity. Hahasahana velaran-tany 107 000 ha izany. Hivelatra amin’ny velaran-tany 120 ha ny orinasa. Famatsiam-bola mitentina 25 tapitrisa Dolara avy amin’ny BAD no anatanterahana ny Tetik’asa PTASO.

Vous aimerez aussi...