Famatsiana ny mponina: anatin’ny politika mitsinjo ny tantsaha mpamokatra no iantohan’ny Minisitera ny fahampian’ny entana ilaina andavanandro sy ny fifehezana ny fitsinjarana azy ireny isam-paritra

Ny fiantohana ny fahampian’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ny fifehezana ny fitsinjarana ireo entana ireo isam-paritra ary ny fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny tahiry. Ireo no asa sahanin’ny MICC raha ny famatsiana ny mponina no resahina.

Mbola nasian’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tsindrim-peo omaly Alakamisy 25 Mey 2023, nandritra ny tatitra nataony nanoloana ny Antenimieram-pirenena fa “politika mitsinjo ny tantsaha mpamokatra no apetraky ny ministera”. Amin’izao fotoam-pijinjana any Alaotra izao dia nametraka fiarahamiasa matotra ny minisiteran’ny Varotra sy ny SPM hanangona ny vary hitsinjovana ny mpanjifa amin’ny fotoam-pahavaratra. Mba tsy hisy ny fanararaotana tafahoatra ataon’ny mpanangom-bokatra.

Tsy tokony ho latsaky ny 1500 ariary ny kilaon’ny akotry araka ny kajy niarahana tamin’ny vondron’ny tantsaha ifotony tany Alaotra.

Mbola manafatra entana avy any ivelany toy ny vary, siramamy, lafarinina ary menaka isika hatreto.

Hatramin’ny volana Janoary 2023 no mankaty dia Vary Tsinjo milanja 4 600 taonina no lafo tamin’ny mpanjifa ho fitsinjovana azy ireo. 10,75 taonina kosa ny Vary gasy Tsinjo hatramin’ny nanombohana azy ny volana Aprily 2023. 99,8 taonina ny siramamy Namakia. Ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina azy manokana dia mpivarotra any amin’ny 140 isan’andro no anaterana vary tsinjo. Mahakasika fokontany 40 isan’andro izany.

“Efa natomboka ary tohizina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanafatra entana, ny mpamokatra ary ny mpamongady ahafahana mitsinjara ny PPN arakaraka ny zava-misy isam-paritra. Nahetsika ireo mpanara-maso toy ny kaomiseran’ny Varotra sy Fifaninanana sy ny kontrôleran’ny Varotra sy Fanjifana hampanara-pitsipika ny mpisehatra rehetra”, hoy ny Minisitra teny Tsimbazaza

Vous aimerez aussi...