Fanaraha-maso ny fitsinjarana ny vary eny amin’ny Tsena Mora ao Moramanga

Ahitana toeram-pivarotana Tsena Mora 6 any Moramanga ka afaka hisitraka izany ny mponina ao amin’ireo fokontany miisa 13 any an-toerana. Marihana fa misokatra ny talata sy alakamisy ny Tsena Mora ahafahan’ny mponina mividy hatramin’ny vary 5kg isaky ny tokantrano.
Vary Tsinjo 600 gony na 30 taonina ny tonga tao an-toerana ny 30 janoary 2022 ary hotsinjaraina izany ahafahan’ny mponina rehetra misitraka azy. 160 gony navoaka ny 01 febroary ary 160 namidy androany. Manana tahiry 280 gony na 14 taonina noho izany any an-toerana.
“Nizotra am-pilaminana ny fisokafan’ny Tsena Mora ary tsy nahitana fisarotana” hoy ny ekipan’ny DRICC Alaotra Mangoro

Vous aimerez aussi...