Vaovaon’ny faritra Bongolava: mitohy ny fanaraha-maso ara-barotra sahanin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana

Tsy mijanona hatreo amin’ny entana ilaina andavanandro ihany ny fanaraha-maso ara-barotra sahanin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana fa mipaka hatrany amin’ny karazam-barotra samihafa ihany koa.
Nisy fisafoana ara-barotra avy hatrany nataon’ny ekipan’ny DRICC Bongolava nanamarinana ny resabe nandeha tany an-toerana momba ny fisian’ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja ampiasan’ny mpitarika posy. Tsikaritra nandritra ny fitsirihana anefa fa tsy mitombina ny tsaho nandeha ary tsy misy ny fiakaram-bidy.
Nihaona avy hatrany tamin’ireo mpanao gazety tany an-toerana ny DRICC Bongolava hisorohana ny mety hisian’ny savorovoro eo amin’ny mponina.

Vous aimerez aussi...