Fampivoarana ny sampam-pamokarana hoditra
Ny 22 Desambra lasa teo dia notolorana fitaovana fikirakirana sy famolavolana ny sampam-pamokarana hoditra (filière cuir) noho ny fanohanana avy amin’ny Fiombonambe Eoropeana sy ny COMESA amin’ny alalan’ny tetikasa FAC/MAIR.Ireo fitaovana ireo dia hanampy ireo mpanao asatanana amin’ny fampahaizan’asa ny sampam-pamokarana ary indrindra hampitombo ny vokatra azo ao anatin’ny fotoana fohy ho fampivoarana ny asan’izy ireo toy ny famokarana poketra sy kiraro. Ny vondrona Gasy Skin izay hikambanan ‘ireo mpanao asatanana misehatra ny hoditra dia nanome toky ny fanatsarana ny vokatra na eo amin’ny lafin’ny kalitao na ny habentsahana izany. Izany fivoarana izany dia mitondra tombony ho an’ny asatanana malagasy izay afaka hifaninana eo amin’ny kalitaon’ny tsena ao anatin’ny COMESA. Natolotra niaraka tamin’izany ihany koa ny trano fiasana vaovao azon’ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Asatanana eto anivon’ny MICA ho fanatsarana hatrany ny fandraharaham-panjakana.