FIkambanan’ny Orin’asa eto VAkinankaratra na FIOVA
Tontosa ny 18-19-20 Desambra lasa teo ny hetsika FIOVA nifanakalozana sy nifampizarana fahaiza-manao sy traik’efa teo amin’ireo Orin’asa rehetra tao amin’ny Faritra Vakinankaratra sy ny eo amin’ny Faritra manodidina misehatra ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana izay nokarakarain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny FIOVA, ny DRICA Vakinankaratra ary ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Vakinankaratra.Nisy ny famelabelarana narahina ady hevitra mikasika ny fampandosoana ny sehatra indostrialy sy sehatra Asatanana izay fototra fampandrosoana ny ara-toekarena any amin’ny Faritra Vakinankaratra nandritra ireo telo andro nisesy ireo. Ho tanterahana isan-taona ity hetsika FIOVA ity ahafahan’ny seha-pihariana indostria sy asatanana mivelatra kokoa ho fampandrosoana ny faritra.