Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Mahajanga
Ho fankalazana ny faha 100 taonan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Mahajanga dia nidina tany an-toerana ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nandritra ny fankalazana dia notolorana taratasy fanomezam-panamarinana ho fisaorana ireo mpiara-miasa tao amin’ny CCI Mahajanga nahavita 10 taona no mihoatra sy ireo efa nisotro ronono ihany koa.