Tsenabe 4M

Tsenabe 4M na Madagasikara Mijoro-Miray hina-Mifaly eo ambany fiahian’ny MICA sy ny MEDD ary ny MTTM no hetsika goavana mivoitra karazana sampam-pamokarana maro hatramin’ny fisian’ny valan’aretina Covid-19. Ny hetsika dia nanomboka ny 17 Desambra 2020 ary hitohy hatramin’ny 20 Desambra ho avy izao eny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana misy maneran-tany dia hasongadina manokana amin’ity andiany voalohany ity ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny alalan’ny fisian’ireo « webinaires » miaraka amina mpandraharaha efa matihanina manerana izao tontolo izao manodidina ireo lohahevitra misahana ny haitao vaovao. Ankoatra ireo dia hisongadina manokana ihany koa ny fampiroboroboana ny vokatra Vita Malagasy sy ny fandraharahana eo amin’ny tanora ho famelomana indray ny toekarena eto amin’ny firenena. Ho an’ny MICA, izay nosolon’ny Tale misahana ny Varotra Anatiny tena, ity hetsika 4M ity dia mifanaraka indrindra amin’ny asan’ny minisitera eo amin’ny fampiroboroboana ny Vita Malagasy sy ny fampiroboroboana ny indostria isam-paritra (ODOF) ary ny fanohanana ara-teknika ny indostria sy orinasa mandinika sy salantsalany.

Vous aimerez aussi...