Fampiroboroboana ny indostria any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana

Tetikasa fanodinana indostrialy an’ireo voka-pambolena any Atsimo Andrefan’i Madagascar na PTASO (Projet de zone de Transformation Agro-industrielles dans la Région du Sud-Ouest de Madagascar): mamaha ny Velirano 7 (fampiroboroboana ny indostria) sy ny Velirano 9 (fahavitan-tena ara-tsakafo) ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana
Hampiroborobo ny rojom-pamokarana ara-pambolena ity tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) vola ity indrindra eo amin’ny seha-pihariana vary, katsaka, kabaro sy haza-dranomasina amin’ny alalan’ny fampiboarana ireo fotodrafitrasa sy fametrahana rafitra handrisika ireo sehatra tsy miankina handray anjara bebe kokoa. Handroso haingana ny fanatanterahana ny tetikasa satria hipetraka amin’ity herinandro ity ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa PTASO. Miteraka famoronana asa sy fiarovana ara-tsakafo ho an’ny mponina ifotony manodidina ny velaran-tany 107.000ha hiasany ny tetikasa. Marihana fa miisa 152.000 ireo mpisitraka mivantana ny tetikasa.
“Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Taninketsa Indostrialy sy Vala ara-indostrialy ary ny Faritra midadasika ara-indostrialy ny asa rehetra manodidina ny tetikasa PTASO. Ary indrindra ity tetikasa no mamaha ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika faha7 (fampiroboroboana ny indostria) sy faha9 (fahavitan-tena ara-tsakafo)” hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fanolorana ofisialy ny tetikasa PTASO tany Toliara ny 19 febroary lasa teo.

Vous aimerez aussi...