Fiomanan’ny Faritra Bongolava hiatrehana ny loza voajanahary BATSIRAI

Ampy hiatrehana ny loza voajanahary ny tahiry eo amin’ny entana ilaina andavanandro (PPN) sy ny solika ho an’ny mponina ao amin’ny Faritra Bongolava. Tsikaritra nandritra ny fidinana ifotony teny amin’ny tobin-tsolika sy mpivarotra ary mpamongady izany omaly.
Nandray anjara tamin’ny fivoriana niraisan’ny manam-pahefana (Governora, Préfet, Minisitera hafa) any an-toerana ny DRICC Bongolava androany 03 febroary 2022. Tapaka fa tsy azo atao ary tsy ekena ny fanangonana PPN sy solika diso tafahoatra hatramin’ny alahady izao. Nomena alàlana feno ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana hampihatra ny lalàna ho an’ireo izay minia mandika izany

Vous aimerez aussi...