Fampiroboroboana ny indostria: haorina any Ambanja ny orinasa hanodina ny kakao ho lasa sôkôla

Tanteraka ny nofinofy hatry ny ela teo amin’ny mponin’Ambanja sy ireo mpandraharaha. Notontosaina ny Talata 30 Mey 2023 tao Ambanja mantsy ny lanonam-panombohana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Alfa Cacao ». Hatsangana any an-toerana ny orinasa iray atao hoe « Sambirano Ingredients », izay hanodina ny kakao ho lasa sôkôla fihinana sy ranom-boankazo azo avy amin’ny kakao.

Tompomarika amin’izao tetikasa izao ny Sambirano S.A, izay efa niasa teo amin’ny sehatry ny kakao nandritra ny 12 taona. Mivondrona anaty kaoperativa ireo olona 1500 miara-miasa aminy hatramin’ny niorenany.

Natao tao amin’ny fokontany Ambalakatakata ny lanonana nentina nametrahana ny vato fehizoron’ny fotodrafitrasan’ny orinasa Sambirano Ingredients, izay haorina amin’ny tany mirefy 1.200m².

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...