Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Bongolava, Amoron’i Mania sy Vakinankaratra

?BONGOLAVA: Mizana 37 sy vatomizana am-polony maro no nasitrik’ireo mpandraharaha ara-barotra nandritra ny fitsarana fitaovam-pandanjana tamin’iny volana lasa iny. Nidina ifotony teo amin’ny kaominina Tsiroanomandidy sy ny kaominina Fihaonana nanao fanaraha-maso ny ekipan’ny DRICC Bongolava ny 27 Jona ka hatramin’ny 01 Jolay 2023. Tamin’izany no nahatratrarana ireo fitaovana ireo. Rehefa nohamarinina izany dia mizana miisa 29 sy vatomizana 41 no tsy nahafeno fepetra ka nampanamboarina avy hatrany teo amin’ireo mpanamboatra nahazo fankatoavana avy amin’ny MICC.

?AMORON’I MANIA: Nahazo fanentanana sy fampahafantarana ny momba ny atao hoe kaoperativa ireo Tanora Mpandraharaha eny Ambanivohitra (JER) Andiany fahaefatra. Avy any kaominina Amborompotsy sy Mandrosonoro any amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana moa izy ireo ary tohanan’ny Tetikasa PROJERMO amin’ny fambolena voanjo. Nandritra ny fiofanana nataon’izy ireo izay nomen’ny Tetikasa no nanatontosana izao fanentanana izao.

?VAKINANKARATRA: Nandray anjara fitenenana nandritra ny fanokanana ny Tsena vaovao ao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Betafo ny Talem-paritra (DRICC) Vakinankaratra ny 24 Jona 2023. Tamin’izany no nanamafisany fa efa misokatra ny Antso ho an’ny Tetikasa (Appel à projet) ho an’ireo mpandraharaha vonona hitantana ny ozinina fanamboarana chips, Taninketsa Indostrialy ao Betafo. Nanentanana ireo mpivarotra hiditra amin’io Tsena vaovao io sy ny hanamarinan’izy ireo isan-taona ny mizana koa izy mba ho fiarovana ny mpanjifa.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...