Tsenan’anosibe: tsy voaporofo ny filazana fa misy mpivarotra manao hosoka mamadika ny vary semence sy tsipala amin’ny gony mba ho vary nafarana halafolafo kokoa ny vidiny.

Nanao bemidina nitsirika sy nanara-maso avy hatrany ny teny amin’ny Tsenan’Anosibe ny ekipan’ny DPC (Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa), ny DCI (Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny) ary ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Analamanga omaly Talata 25 Jolay 2023, vantany vao nahita tamin’ny tambazotran-tserasera ny vaovao. Tratra teny an-toerana ilay olona nanely izany ka nohamarinina teny ifotony ny fanambaràny. Tsy voaporofo anefa hatreto ny fahamarinan’izany.
Hitohy hatrany kosa ary ho hamafisina ny fanaraha-maso atao manerana ny tsena rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina mba hisorohana ny mety ho fisian’izany fanararaotana ataon’ny mpivarotra sasantsany izany. Ho hentitra ny Ministera amin’ny fanasaziana izay tratra minia manao hosoka toy izany.

Vous aimerez aussi...