Fiarovana ny mpanjifa: mpivarotra 7 any Tsaratanana nahatratrarana entana lany daty 

Nodorana avy ireo entana lany daty ireo rehefa noraketina an-tsoratra sy nohamarinina niaraka tamin’ireo solontenam- panjakana any an-toerana. Nahitana bisky, zava-pisotro mamy sy mena-bolo moa izany. Tsy voaporofo kosa ny tsy fanarahan-dalàna momba ny menaka fihinanana izay nahazoana fanairana avy amina mpanjifa.

Ny 11 sy 12 Aogositra 2023 ireo mpanara-maso avy amin’ny DRICC Betsiboka no nidina tany an-toerana nanao fitsirihana.

Manodidina ny 30 kosa ny fitaovam-pandanjana notsarana tamin’izany ka 7 tamin’ireo no nasiam-panamboarana ary iray nasiana famehezana tsy ho azo ampiasaina.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...