Fampiroboroboana ny fandraharahana: misokatra ho an’ny orinasa sy kaoperativa rehetra mijoro ara-dalàna ny vovonana nomerika « Mada Business Linkage »

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny mpandraharaha malagasy ny Alakamisy 14 Septambra 2023 tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano ny vovonana nomerika « Mada Business Linkage ». Tafiditra anatin’ny fandaharanasa SME-BLP (Small and Medium Engtreprises Business Linkage Program) izay vatsian’ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) ny fametrahana izany.
Hampifandray ny mpandraharaha rehetra eto Madagasikara, na lehibe na madinika na salantsalany (na fifandraisana B2B) mikendry fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola, hahita antso tolo-bidy samihafa na koa hiara-hiasa amin’ny orinasa mitovy seha-pihariana ny “Mada Business Linkage”. Manampy ireo orinasa hampahafantatra mivantana ny vokatr’izy ireo koa ity vovonana ity.
Mifanojo tanteraka amin’ny lalan-tsaina hitondran’ny MICC ny fampandrosoana ifotony ihany koa ity vovonana napetraky ny fandaharanasa SME BLP ity. Anatin’izany ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny sehatra tsy miankina ho antoky ny fampandroana ara-toekaren’ny firenena.

Vous aimerez aussi...