Tsiroanomandidy: mamokatra kitay akofa 11 taonina isam-bolana ny orinasa Ny Anjara

Milanja 2 kg eo ho eo ny kitay akofa iray. Mila akofa 30 kg hamokarana azy. Tsy tongatonga ho azy ny niorenan’ny Orinasa Ny Anjara, mpamokatra kitay akofa ao Tsiroanomandidy. Mora hita any amin’ny faritra Bongolava mantsy ny akora fototra (akofa) satria sompitra faha-3 eto amin’ny Nosy izy.
Ny volana Jolay 2023 no nanomboka niodina ny Orinasa Ny Anjara. Mateza ary mahery tokoa ny afo avoakan’ny kitay akofa vokariny. Efa nandramana namokarana lohamenaka izany ka nahomby tokoa. Sady mitsitsy ary tsy manetroka be no miaro ny tontolo iainantsika ny kitay akofa.
Mamelona tokantrano 5 izay ahitana olona miisa 24 eo ho eo ny Orinasa Ny Anjara mpamokatra ity karazana arina fandrehitra vaovao ity.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...