Fampivelarana ny seha-piharian’ny tantsaha mpamokatra

Manao adisisika amin’ireo mpisehatra ara-bola ny DRICC Menabe hanomezana tolotra manokana ho an’ny kaoperativa.
Mbola marefo ireo kaoperativa ka tokony hampisitrahana tolotra manokana (offre préférentielle). Nohamafisin’ny Talem-paritra (DRICC) Menabe izany ny 27 Septambra 2023 raha nampihaona ny kaoperativa mpamokatra sy ny mpisehatra ara-bola toy ny mpampindram-bola madinika, banky sy tranom-piantohana ao amin’ny Faritra Menabe izy.
Ny tanjona tamin’izany fifanakalozan-kevitra izany dia ny fampahafantarana an’ireo koperativa ny tolotra omen’ireo mpisehatra ara-bola azy ireo, ny fandresen-dahatra ny roa tonta mba hisian’ny fiaraha-miasa mahomby sy maharitra.
Sokajiana ho mpisehatra voalohany ara-toekarena any amin’ny faritra Menabe ireo kaoperativa. Ilaina, araka izany, ny fiaraha-miasany amin’ny mpisehatra ara-bola hampivelatra ny seha-piharian’izy ireo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...