Fampiroboroboana ny indostria: notokanana androany ny Orinasa famokarana zezika ilaina amin’ny fambolena

Ny mampiavaka ny Orinasa ETG agri in put sarl (Export Trading Groupe) dia arakaraka ny filan’ny tany sy ny karazam-bokatra ho volena ny zezika vokarina. Tontosa androany Talata 03 Oktobra 2023 tany Analamalotra, Kaominina ambanivohitra Antetezambaro any amin’ny Distrikan’i Toamasina 2 ny fitokanana ny orinasa.
Tafiditra tsara ao anatin’ny politikam-panjakana momba ny ODOF (One District One Factory) izany. Nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny lanonana tany Analamalotra androany ny Talem-paritra (DRICC) Atsinanana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...