Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Itasy, Vakinankaratra sy Melaky

?ITASY: Nandritra ny 4 andro no nanofanana momba ny “toe-tsaina mpandraharaha mahomby amin’ny asany » sy ny fomba fiasa SHEP, adika amin’ny hoe mamokatra mba hivarotra. Nisitraka izany tao Soavinandriana ny 10 ka hatramin’ny 13 Oktobra 2023 ireo kaoperativa roa sangany amin’ny fambolena vary ao Soavinandriana. Fiaraha-miasa teo amin’ny DRICC Itasy sy ny Tetik’asa PAPRIZ/JICA.

?VAKINANKARATRA: Ahetsika ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanaraha-maso ny ioda amin’ny sira amidy. Nidina tany amin’ny distrikan’Antsirabe II, Betafo, Ambatolampy ary Mandoto ny I-team Vakinankaratra ny 10 ka hatramin’ny 13 Oktobra 2023 namory azy ireo. Nahitana ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Vakinankaratra ary ny ORN ny ekipa tonga tany an-toerana. Nohazavaina tamin’ireo mpitandro ny filaminana ny momba ny ady amin’ny tsy fahampian’ny tahan’ny ioda sy ny fandrindrana ny hetsika.

?MELAKY: Tontosa ny Zoma 13 Oktobra 2023 ny famindran-draharaha teo amin’ny Tale mpanatanteraky ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Melaky teo aloha, Andriafanomezantsoa Honoré sy ny vaovao, Razoelimalala Robinson. Nanatrika izany tao amin’ny Biraon’ny CCI ny Talem-paritra (DRICC) Melaky sy ireo Manampahefana any an-toerana toy ny Prefen’i Maintirano sy ny Talen’ny kabinetran’ny Governora.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...