Voin-kava mahatratra

Nandray ny andraikitra tandrify azy ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) manoloana ny haitrano nahazo ireo mpivarotra teny Behoririka.

Tonga teny Behoririka nijery ny fahavoazana sy naneho fahavononana amin’ny fifanampiana hiarenan’ireo mpivarotra ireo taorian’iny voina iny ny iraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany Sabotsy 21 Oktobra 2023.

Nanome toky ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (DRICC) eto Analamanga, Natolotriniaina Herizo Fanomezantsoa fa hisy ny fanamorana ho ataon’ny Fitaleavam-paritra amin’ny fanamboarana ny atotan-taratasin’ireo mpivarotra eny Behoririka. Nisy tamin’ireo may trano ireo mantsy no tsy manana intsony taratasy momba ny asa varotra ataony satria may lasa lavenona tao koa izany.
90%-n’ireo toeram-pivarotana manamorona ny ranon’i Behoririka, ampitan’ny Tsena maitso izay tratry ny afo ihany koa, no kila. 10 amin’ireo trano hazo fivarotana 206 izay saika fivarotana kapa avokoa no sisa tsy may, araka ny tarehimarika avy amin’ny Lehiben’ny tsena eo Behoririka.
Nahitana ny Talen’ny Varotra anatiny (DCI) Andrianiaina Randriamiaramahefa, ny Talen’ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) Laurencia Razanadrakoto ary ny Talem-paritra Analamanga ireo solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra tonga teny Behoririka ireo.

Vous aimerez aussi...