Vaovao Songadina avy amin’ny Faritra Analanjirofo, Menabe sy Ihorombe

Fiarovana ny mpanjifa manerana ny Nosy amin’ny entana tsy azo hohanina intsony
Manamafy hatrany ny fanaraha-maso ireo entana amidy eny an-tsena ny ekipan’ny Minisitera manerana ny Nosy ho fiarovana ny mpanjifa rehetra amin’ny fanapoizinana avy amin’ny sakafo lany daty. Maro ireo entana efa lany daty (biscuit, vatomamy, zava-pisotro misy gazy, paty) sarona teny anivon’ny mpivarotra ka nogiazina ary nodorana avy hatrany. Toy izay hita tany amin’ny faritra Analanjirofo, Menabe sy Ihorombe.
Manentana antsika mpanjifa foana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana hijery sy hanamarina hatrany ny fonosan’ireo entana vidina eny an-tsena mialohan’ny hajifana azy ireny.
Sary DRICC Analajirofo, Menabe, Ihorombe

Vous aimerez aussi...