Fahataperan’ny fandaharan’asa

Ny sehatry ny kaoperativa no anisan’ny fanohanana nataon’ny MICC ny FORMAPROD.
Nankasitrahan’ny FORMAPROD ireo Fitaleavam-paritra (DRICC) noho ny fiaraha-miasa, indrindra amin’ny fananganana sy fampiroboroboana ny kaoperativa. Tratra ny tanjona, hoy ny tompon’andraikitra, nandritra ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharan’asa ho an’ny faritra Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, ary Ihorombe.
Tamin’ny alalan’ny Atrikasa nanaovana jery tombana ny zava-bita, tany Fianarantsoa ny 08 sy 09 Novambra 2023 no namaranana ny 10 taona niasan’ny FORMAPROD teo Madagasikara. Niompana tamin’ny fampiofanana mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana ary jono ho an’ireo tanora niala an-daharana tany an-tsekoly ny tetik’asa ary nisy ny tohana ara-pitaovana nomena ireo nahavita izany.
Sary DRICC

 

Vous aimerez aussi...