Faritra ATSINANANA

Nisokatra omaly ny taom-piotazana letisia 2023-2024
Tao Analamalotra distrikan’i Toamasina 2 no nanamarihana ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia any amin’ny faritra Atsinanana omaly Talata 21 Novambra 2023. Nitarika izany ny Governoran’ny Faritra. Nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC). Teo koa ireo Tale isam-paritra sy Talem-paritra (DRICC, DRI, DRSP), ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina.
Nitohy tamin’ny fitsidihana toeram-pikarakarana ny letisia (“station de traitement”) an’ny mpandraharaha mpanondrana izany ny hariva. Tsapa nandritra izany fa tsara ny kalitaon’ny letisia tamin’ity taona ity.
Telopolo ireo nahazo fahazahoan-dalana hanondrana letisia tamin’ity taom-piotazana ity izay avy ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Araka nambaran’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana, Richard Théodore Rafidison, dia noferana 1.300 ariary ny andraisan’ny mpanangom-bokatra ny kilaon’ny letisia.
Source: DRICC

Vous aimerez aussi...