One Disctrict One Factory (ODOF)

Hamokatra menaka koa ny any amin’ny distrikan’i Midongy
Efa tonga any Midongy faritra Atsimo Atsinanana ny milina fanodinana voanjo ho lasa menaka, avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Nandray izany tany an-toerana ny Tompon’andraikitra isan-tokony toy ny Lehiben’ny distrika, ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Midongy ary ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana (DRICC).
Efa natao ihany koa ny Antso ho an’ny tetik’asa (« Appel à projet ») ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana izany milina izany. Manana hatramin’ny 14 Desambra 2023 izy ireo hanehoana ny fahalianany.
Source: DRICC

Vous aimerez aussi...