Fampandrosoana ara-indostria

Navoitran’ny Minisitra Edgard RAZAFINDRAVAHY ny paikadin’i Madagasikara ho fampiroboroboana ny indostria. Omaly Talata 28 Novambra 2023, nandritra ny famelabelarany nanoloana ireo mpandray anjara amin’ilay Fihaonam-be faha-20 karakarain’ny Rafitry ny Firenena Mikambana ho amin’ny fampandrosoana ara-indostria (ONUDI) any Vienne Autriche, no nanaovany izany. Fanirian’ny ONUDI ny hizaràn’ity Minisitra malagasy misahana ny Fampiroboroboana ny indostria ity ny traikefany ka namaly izy omaly.

Vous aimerez aussi...