Taninketsa Indostrialy ao Antsirabe II

Efa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina FAMOKARANA CIDRE avy amin’ny paoma ao Antsirabe II ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet).
Manana hatramin’ny 08 Janoary 2024 amin’ny 4 ora hariva izy ireo amin’izany.
Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa amin’ny adiresy mailaka olivia.fmme@gmail.com sy zpivakinankaratra.micc@gmail.com ary aterina an-tanana ao amin’ny Biraon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Vakinankaratra (Biraon’ny Sampandraharaham-paritry ny Indostria Ex-Hyppodrome Vatofotsy Antsirabe).

Vous aimerez aussi...